Maty voatifitry ny zandary, ny alarobia alina teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana sy vaky trano. Nahazo antso fanairana ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohitrimanjaka mpanao fisafoana amin’ny alina fa misy andian’olona mampiahiahy mihaodihaody eny amin’ny fokontany Miadana, Ambohitrimanjaka. Nidina haingana teny an-toerana ny zandary ka tratra teo am-pianihana tambohon-tranon’olona iray eny Anielitsara, fokontany Miadana, i Parfait, fantatra amin’ny anaram-bositra hoe i Mainty niaraka tamin’ireo namany. Lasa nandositra avy hatrany ry zalahy vao nahatazana ny zandary ka raikitra teo ny fifanenjehana. Vokany, lavon’ny bala i Mainty raha tafaporitsaka ireo namany. Nohamafisin’ny zandary fa anisan’ireo jiolahy fanta-daza ary nampikaikaika ny mponina tao amin’ny fokontany sy ny manodidina amina vaky trano i Mainty. Nisaron-tava izy nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary. Tratra teny aminy ny fitaovana famakian-trano, fanalahidy maro karazana ary rongony.
Jean Claude