Nesorina tamin’ny toerany maha tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny tontolo iainana (ONE) azy Rakotoson Rija Herisolo, araka ny tinapaka tao amin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia 17 mey teo. Talohan’izay, nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety izy, ny alatsinainy 15 mey, nilazana fa miato ny asa fanaovana ny arabe migodana, satria atao ny fanadihadiana ara-tontolo iainana (EIE), izay efa natomboka ny 12 mey.
Etsy ankilany, manamafy ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), fa mitohy ny asa famaritana ny lalana (traçé) amin’ny ampahany voalohany mirefy 80 km (Antananarivo- Anjozorobe). Misy ny fandaminana, noho ny fanaovana ny tombana ara-tontolo iainana. Natsahatra ny fikasihana ny tanimbary, mandra-pahavitan’ny fakan-kevitra sy ny pitsopitsony ara-teknika. Hampifanarahana amin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena ny lalàna sy ny fepetra takin’ny tontolo iainana.
Efa vita tamin’ny novambra 2022 ny fanadihadiana ny fiantraikany amin’ny tontolo iainana, notombanan’ny ONE sy ny komity teknika. Mpandrindra ankapobeny sady tomponandraikitra voalohany ny fanamboarana ny arabe migodana ny minisiteran’ny Asa vaventy. Mifarimbona amin’ny fanaovana ny dingana samihafa hanatanterahana ny asa kosa ny minisitera maro.
Njaka A.