Nanao be midina tamina trano fivavahana iray ny polisim-pirenena, omaly. Pasitera sady mpaminany efatra voasambotra.
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny olona efatra misora-tena ho Pasitera tao amina fiangonana tsy miankina iray, ao Fianarantsoa Renivohitra, omaly. Nisintona lakolosy teny anivon’ny fampanoavana ny vehivavy telo mpino eo amin’ilay fiangonana. Taorian’ny fitorohana nalefan’izy ireo, nandefa baiko teny anivon’ny polisim-pirenena ny tonian’ny mpampanoa lalana amin’ny maha lehiben’ny mpanao famotorana azy. Vantany vao naharay izany ny eo anivon’ny kaomisaria, nanao be midina, omaly maraina. Vokany, nisy ny fisamborana faobe. Taorian’ny fanadihadiana savaranonando, efa notazomina eo anivon’ny polisy. Voalaza ho manao fanararaotana ara-nofo amin’ireo vehivavy mpiangona ao amin’io fiangonana io izy efa-dahy ireto. « Misora-tena ho pasitera avokoa izy ireo », hoy ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaomisaria Centrale, ao an-toerana. Rehefa resy lahatra hanaraka ny firehan’ny fiangonana ireo vehivavy mpino, anavaon’ireto Pasitera sandoka ireto ny fomba ratsiny. “Anatin’ny fanadihadiana lalina mahakasika ity raharaha ity izahay amin’izao fotoana”, araka ny fanamafisan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaomisaria Centrale.
Hisorohana ny fahavoazan’ireo tsy ampy taona
Araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny fitsarana ao Fianarantsoa, mba hisorohana ny fihitaran’io fomba ratsy io tsy hahazo ireo zazavavy tsy ampy taona mpino anatin’ilay fiangonana tsy miankina ity fisamborana ireto Pasitera sandoka efatra. Araka ny fampitam-baovao avy ao Fianarantsoa ihany, tratry ny tsindrihazolena ny ankamaroan’ireo vehivavy mpino izay efa samy manam-bady aman-janaka mivavaka ao amin’io fiangonana io. Taorian’ny fisamborana nataon’ny polisy, tonga hamantatra ny tena zava-misy marina eo anivon’io fiangonana io koa ireo raim-pianakaviana vadin’ireo vehivavy mpiangona. “Voazanaka ara-tsaina ny vady aman-janaka ka tsy azo atao na inona na inona”, hoy ny fanavazan’ny iray tamin’ireo raim-pianakaviana. Miandry ny voka-panadihadiana izy ireo ka handray fanampahan-kevitra manoloana ny fisian’io fiangonana io aorian’izany. Marihina, nisy ny fikarohana ny tomponandraikitra eo anivon’ny fiangonana saingy tsy nahazoam-baovao. Nisafidy hangina noho ny fisian’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana kosa ireo tratra antso. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.