Hanafatra seringue fanaovana vaksiny ny fanjakana

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana seringue, 0,5ml sy safety box ho an’ny sampandraharaha misahana ny fandaharanasa momba ny vaksiny (Depev), eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka, ho an’ny taona 2023.
Rehefa tsy misy seringue dia tsy misy vaksiny azo hatao, indrindra ny vaksiny miaro amin’ny aretina Covid sy ny vaksinin’ny zaza ary ny vaksiny ho an’ny reny bevohoka.
Anisan’ny niteraka olana tamin’ny vaksiny BCG teto amintsika, teo aloha, ny tsy fahampiana seringue manokana ampiasaina amin’ny fanindronana ka maro ireo zaza tsy afaka nisitraka izany.
Misy ihany koa ny paikady marolafy entina hanatrarana ny fahavitan’ny vaksiny ho an’ny zaza izay nahitana fidinany be tao anatin’ny fotoa­nan’ny fihibohana. Vokatry ny tsy fahafahana mivezivezy sy ny karazana tahotra samihafa nateraky ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny Covid no nahatonga ny fidinan’ny ta­han’ny fanaovam-baksiny.
Manao ezaka manokana, araka izany, ny fanjakana manafatra seringue fampiasa amin’ny fanaovam-baksiny mba tsy hisian’ny fahatapahana intsony eny amin’ny CSB sy ny tobim-pahasalamana.

Tatiana A

Partager sur: