Hotanterahina eto Antananarivo, ny 26 hatramin’ny 30 jolay ho avy izao, ny fihaonambe nasionaly ho an’ny ankizy (JNE), andiany fahatelo, eo anivon’ny fiangonana katolika. “Rankizy, andao hiara-dia hitory ny Vaovao mahafaly ho fanantenan’ny eglizy” ny lohahevitra. Vinavinaina hahazo ankizy 15000 (6 -14 taona) avy amin’ny diosezy 22 manerana ny Nosy ny fihaonana.
“Hampianarina hanaja sy hikolokolo ny tontolo iainana ny ankizy mandritra izany, izay anisan’ny mampiavaka ny andiany fahatelo”, hoy ny Aumônier nasionalin’ny vovonan’ny ankizy, mompera Rafenoarisoa Rodolphe Augustin. Eo koa ny fampivelarana ny maha olona sy fampiainana azy ireo ny zo maha ankizy azy. Tanjona ny hanamafisana orina ny finoana katolika sy hampivondronana ireo ankizy manoloana ny fahasamihafana.
“Entanina ny ankizy mba ho tonga hanatrika izany, eo koa ny ray aman-dreny mba hanomana am-pinoana ny ankizy dieny izao”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny Vaomieran’ny Eveka, Mgr Raoelison Jean de Dieu. Hotsinjaraina sy ho raisina amin’ny sekoly maro eto Antananarivo izy ireo ka mpanabe roa miandraikitra ankizy 10 mandritra izany.
Mino (Mpianatra asa)