Madagasikara-Pakistan : misarika ny mpampiasa vola ny Antenimierandoholona

Nitsidika ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, ny ambasadaoro vaovaon’i Pakistan, Muhammad Arshad Jan, ny alarobia 17 mey teo.

Niompana tamin’ny fa­namafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Pa­kistan sy i Madagasikara ny fihaonana, ary koa ny eo amin’ny Antenimierandoho­lona malagasy sy pakistaney. Maro ny seha-pihariana noresahana, ka anisan’izany ny lafiny fambolena sy ny fanodinana ara-tsakafo.
Marihina fa anisan’ny firenena tena mpamokatra vary i Pakistan, ka hohamafisina ny fiaraha-miasa sy ny fifampizarana traikefa.
Notsindrin’ny filohan’ny Antenimerandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana fa ankoatra ny fandaniana ny lalàna, andraikitr’ity andrimpanjakana ity koa ny fiahiana ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana sady misolo tena ny vondron-draharaha ara-toekarena sy ara-tsosialy. Nomarihiny fa manamora ny fahatongavan’ny mpampiasa vola vahiny eto Madagasi­kara, anisan’izany ny orinasa avy any Pakistan.

Fikajiana ny tontolo iainana
Anisan’ny nankasitrahan’ny ambasadaoro pakistaney ny ezaka manokana ataon’ny Antenimierandoholona amin’ ny fikajiana ny tontolo iainana. Nanamarinany izany ny fambolen-kazo ataon’ity An­drimpanjakana ity. Nohama­fisiny fa ady iombonan’i Ma­dagasikara sy Pakistan ny ady sy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, ka hanaovana ho laharam-pahemehana ny fambolen-kazo.
Samy naneho ny fahavononany hanamafy ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa ny antenimiera roa tonta. Noresahana ny hananganana ny Vondrona fifankatiavana Madagasikara-Pakistan, hanamorana izany.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: