Mila fanasitranana !

Tsy fomba ny miresaka finoana na antokom-pinoana. Saropady, tsy fiady hevitra ny tena marina. Anisan’ny zo fototra, voarakitra anatin’ny fanambaran’ny Firenena Mikambana momba ny zon’olombelona rahateo ny fahafahana manaraka izay finoana tiany ho arahana. Midika izany fa zava-dehibe, masina ny resa-pivavahana sy finoana.
Firenena mandala fatratra sy saropiaro amin’ny maha olona i Madagasikara. Tsy mahagaga raha maniry toy ny anana ny trano fiangonana. Na andrenivohitra, na ambanivohitra samy ahitana izany. Miroborobo, mifanindran-dalana amin’izay ny toeram-piofanana ho pasitera, mpaminany, mpiandry. Mipetraka anefa ny fanontaniana, mba manana fahazoan-dalana ve izy ireny andaniny ? Manana ny fahaiza-manao sy mahafeno ny fenitra maha mpitaiza ara-panahy ve izy ireo, ankilany ? Sarotra ny valinteny ho amin’izany. Hilaza miara-mahita isika fa arakaraka ny mahamaro ny mpivavaka no mirongatra ny fahantrana lalina sy ny herisetra.
Sanatrian’ny vava hanenjika na hanakiana ny trano fiangonana, izao iarahana miaina izao ny zava-miseho eto Madagasikara. Mihalalina ny hantsana misy amin’ny mpitondra fivavahana sy ny mpino manara-dia azy. Mihampanefoefo ny iray, mihamahantra fadiranovana ny hafa. Maro ny fianakaviana, fongam-pananana noho ny fanefana ny adidy amin’i «  dada » na i « neny », ireo lohandohan’ny mpisorona ao am-piangonana.
Ankoatra ny resa-bola sy ny tombontsoa ara-materialy, tsy lazaina intsony ny fanjanahana ara-tsaina sy moraly. Maro ny fianakaviana rava sy maka ho azy. Potiky ny famotsiam-panahy mba ho mora ambakaina sy asaina manaotao foana. Tahaka ireny mahasahy, mihantsy ny fanjakana ireny.
Manoloana ny zava-misy ankehitriny, tsy manan-tsafidy ny fitondrana, indrindra ny minisiteran’ny Atitany, afa-tsy ny fanadiovana. Ankoatra ny fanaraha-maso ireo efa mijoro, mila sivana ny fizarazarana fahatany ny fahazoan-dalana. Midika ho firaisina tsikombakomba ny fahanginana manoloana ny sintona lakolosy atao momba ny trano fiangonana sy ireo « sekta » etsy sy ireo.
Ho avy ny fotoam-pifidianana, tsy tokony hatao fitaovana politika ihany koa ny fivavahana. Tsy fakam-bato ny fiangonana. Tokony hiainga avy amin’ny zava-panahy aza ny fahadiovana sy ny mangaraharaha.
Raha fehezina, marary i Madagasikara. Marofy hatrany amin’ny atifanahiny. Mila fanasitranana amin’ny lafiny rehetra !

r.r

Partager sur: