Niaraka tamin’ny odibala 7 kg… : ravan’ny zandary ny tambajotra mpaka an-keriny ao Anjozorobe

Tsy nandaitra ny odibala! Mitohy hatrany ny hazalambo ataon’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Centrale, amin’ny fandravana ireo tambajotra mpaka an-keriny ao Anjozorobe. Jiolahy efatra tratra raha roa hafa maty voatifitra…

Raha tsy misy ny fiovana, hatolotra ny fampanoavana anio ireo olona voarohirohy ho tom­pon’antoka tamina raharaha fakana an-keriny tao amin’ny distrikan’Anjozorobe. Nan­dri­tra ny savahao nataon’ny zandary avy ao amin’ny za­na-tobim-paritra Amboasary Avaratra, ny alahady lasa teo, no nahatrarana basy vita tanana iray sy odibala milanja 7 kg fampiasan’ireo dahalo ao Andakana, fokontany Anki­dondona, kaominina Amboa­sary Avaratra. Olona efatra indray voasambotra, ahina ho mpaka an-keriny.
Nifanehatra tamina an­dian-dahalo ampolony mpaka an-keriny niaraka tamin’ny basy mahery vaika koa ireo zandary avy ao amin’ny to­bim-paritra Ambatomanoina sy zana-tobim-paritra Ambo­hibary Vo­­hilena, afakomaly, tao amin’ny kizon’Ambato­tsavony, fo­kontany Ambo­niakondro, kaominina amba­nivohitr’Am­bohibary Vohi­lena. Mafy ny fifandonana satria dahalo roa lahy indray lavon’ny zandary nandritra izany. Basim-borona iray niaraka tamin’ny bala sy taim-bala maromaro no hita tany amin’ireo malaso. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny zandary any an-toerana amin’ny famongorana ireo mpaka an-keriny.

Jean Claude

Partager sur: