Olan’ny rugby : Kandidà tokana hofidina i Dorien

Araka izay efa nahafantaran’ny rehetra azy, hotanterahina rahampitso sabotsy, etsy amin’ny kianja Makis Ando­ha­tapenaka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy «Can 2023». Etsy an-kilany, misisika ny hanatontosa fifidianana ho filohan’ny federasiona ireo ligim-paritra manohitra an-dRakotomalala Marcel. Kandi­­dà tokana no hofidina dia i Sambotody Dorien. Na­nambara izy fa hitondra anjara biriky hampamiratra ny tontolon’ny baolina lavalava. Noho ny fitiavany ny rugby hatramin’ny fahazazany no nanosika azy handray andraikitra. Notsiahiviny fa tao amin’ny “Ecole de rugby, école de la vie”, tao Antsiranana ny tenany, ary lasa mpilalao avy eo, lasa mpitantana sy filohan’ny ligin’i Diana. Anisan’ny fandaharanasany, ny hiroso amin’ny sehatra misandrahaka ary hitondra tolo-tanana ho an’ny rehetra mba hampivoarana ny tontolo. Hametraka rafitra vaovao, miainga avy eny ifotony ka mipaka amin’ny iraisam-pirenena ny tenany. Mampanantena rivo-baovao ho an’ny baolina lavalava izy.
Manoloana izany, efa na­nambara ny filohan’ny Mala­gasy Rugby voafidy ara-dalàna ary nankatoavin’ny iraisam-pirenena fa fanakorontanana ny fanaovana izany ka tsy maintsy handraisana fepetra ary tsy misy izany filohan’ny ligin’i Diana izany, araka ny voalazany.

Tompondaka

Partager sur: