Taranja anglisy : manamafy ny traikefa ireo mpampianatra any atsimo

Manamafy ny traikefany, amin’ny fampianarana ny ta­ranja anglisy eny anivon’ny sekoly, ireo mpampianatra 25 mianadahy ao amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Amin’ny alalan’ny American English Training of Trainers (AE TOT) no hahafahan’izy ireo manao izany.
Hianatra ny teknika vaovao fampianarana ny taranja anglisy hampiharina any an-dakilasy izy ireo, mandritra ny 4 andro hanaovany ny fiofanana.
Mamatsy vola ny AE TOT ny masoivoho amerikanina, ny fikambanana tsy miankina, Lanja omena vokatra haharitra (Lova), kosa no manatanteraka ny fandaharanasa.
Hanovo fahalalana ao amin’ny tranonkala Ameri­canenglish.State.gov izy ireo ary hianatra hampiasa ny fitaovana samihafa. Ho hita amin’izany ny drafitry ny lesona, boky, horonantsary, fampianarana ampitain-davitra sy ny lalao samihafa.
Misy ihany koa ny fifampizarana mivantana miaraka amin’ireo Amerikanina sy Malagasy, manam-pahaizana momba ny fampianarana ny taranja teny anglisy. Mandray anjara amin’izany ireo teratany amerikanina mpampianatra izay miasa eto Madaga­sikara sy Kaomaoro.
Hanaparitaka ny fahalalana norantoviny amin’ireo mpampianatra toa azy any amin’ny toerana misy azy avy ireo nahazo fiofanana aorian’ izao.
Maherin’ny 175 ireo mpampianatra heverina hisitraka ny fanatsarana ny paikady fampianarana teny anglisy any atsimon’ny Nosy.

Tatiana A

Partager sur: