Trosan’ny orinasa Jirama : hampindram-bola ny fanjakana malagasy

Hindram-bola amin’ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny tahirim-bolam-panjakana manokana na “bon de trésors spéciaux” (BTS), ny orinasa Jirama. “Atao izao mba hanajan’ity orinasa ity ny fifanarahana arak’asa ataony miaraka amin’ny Henri Fraise Fils et Cie (HFF) sy handoavany ireo trosany”, araka ny nankatoavan’ny Filankevitry ny minisitra izany fanapahan-kevitra izany, ny alarobia teo. Tanjona ny hanafainganana ny fampitomboana ny famokarana herinanatra amin’ny alalan’ny soliky ny HFF, indrindra hamahana ny olan’ny delestazy eto Antananarivo sy ny any amin’ny faritra samihafa. Antony, nahatonga ny fanjakana malagasy nisafidy ny hanohana ny orinasa amin’ny alalan’ny fampindramam-bola manokana. Araka izany, tsy maintsy hanao antoka ny ampahany amin’ireo fananany ny orinasa Jirama entina hanatanterahana izany. Ho lasa fananam-panjakana kosa ireo fananany ireo raha toa ka tsy mahefa ny trosa nalainy ity orinasam-panjakana ity.

Henintsoa H.

Partager sur: