Notanterahina tao Londres, QE II (Queen Elizabeth II) Center Westminster London, ny zaikabe iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana, ny herinandro lasa teo. Nandray anjara tamin’izany ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle.
Sehatra iray fampivondronana lehibe indrindra maneran-tany natrehan’ireo minisitra maherin’ny 117 sy ireo mpisehatra avo lenta ao anatin’ny tontolon’ny fanabeazana ny zaikabe. Niforona ny taona 2002 izy ity ary tohanan’ireo mpiandraikitra ao amin’ny andrimpanjakana ambony britanika sy ireo ao anatin’ny fanabeazana iraisam-pirenena tsy miankina amin’ny fanjakana.
Tao anatin’izany, ny masoivoho britanika miasa eto Madagasikara no nanasa ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena malagasy hanatrika ny fivoriana. Lohahevitra nandritra ny fihaonana ny «Fananana kolontsaina tia fianarana sy faharetana ary ny fampirisihana ny fandalinana ho fanabeazana maty paika ao anatin’ny fahasahiana mivoatra ary tsara kokoa hatrany».
Maro ireo dinika sy fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo mpandray anjara, ahitana ireo solontenan’ny firenena maro.
Nizara roa lehibe ny fandaharam-potoana: voalohany, fotoam-pivoriana ho an’ny daholobe, natokana hiresahana sy hifanakalozana ary hamakafakana ny politikam-panjakana eo amin’ny fanabeazana. Noresahana tao anatin’izany ny dinika mahakasika ny fanabeazana ireo mpampianatra. Nojerena koa ny fomba fanabeazana amin’ny ankapobeny sy ny fananana faharetana amin’ny fijanonana an-tsekoly. Nisy koa dinika mahakasika ny fanabeazana ireo zazavavy sy ny faharetan’izy ireo an-tsekoly, ny famatsiam-bola natokana ho an’ny fanabeazana ary ny fahaiza-mitarika, izay anisan’ireo lohahevitra nandraisan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena malagasy anjara.
Fampiasana teknolojia
Nifanakalo hevitra hahitana vahaolana, hanana fianarana marim-pototra, hisian’ny fahasahiana kokoa, hampivelatra ara-tsaina ireo mpianatra, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo teknolojia eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ny mpivory.
Tombontsoa lehibe ho an’i Madagasikara ny fanatrehana ny fivoriana lehibe maneran-tany momba ny fanabeazana satria hahazoana fiaraha-miasa sy fifandraisana ary traikefa maro.
Vonjy