Cisco Maevatanana: mpianatra 70 iray kilasy tsy omena “convocation”

Velon-taraina ny ray aman-drenin’ny mpianatra 70 mianadahy ao amin’ny sekoly tsy miankina Les As, ao amin’ny Cisco Maeva­tanana, fari-piadidiam-pampianarana (Dren) Betsiboka. Hatramin’izao, tsy mbola nahazo ny taratasy fiantsoana hiatrehana ny fanadinana BEPC ny zanak’izy ireo. Ny sekoly rehetra ao amin’ny Cisco Maevatanana, na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, anefa efa nahazo avokoa. Amin’ny alatsinainy izao ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny fanadinana BEPC, ka atahotra ny hoavin-janany ireto ray aman-dreny.
“Nahaloa saram-pianarana ara-dalàna nandritra ny taom-pianarana izahay ray aman-dreny kanefa sanatria ho taona fotsy noho ny antony tsy fantatra ve?”, hoy ireo ray aman-dreny.
“Tomombana an-tsakany sy an-davany ny fanomanana ny antontan-taratasy fisoratana anarana hiatrika ny fanadinana ary voahaja ny fe-potoana nanaterana iza­ny kanefa izao iharan’ny antsojay izao ireo mpianatra”, hoy hatrany izy ireo, manaitra ny sain’ny tomponandraikitra.
Araka ny vaovao avy amin’ny loharanom-baovao, mikatso eny anivon’ny Cisco, ny lehiben’ny foibem-panadinana ary ny Dren ny raharaha amin’ny fizarana ny taratasy fiantsoana hiatrika fanadinana BEPC ho an’ireto mpianatra ireto.
Manao antso avo amin’ ny tomponandraiki-panjakana mahefa, araka izany, ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ary ny sekoly mba hijery akaiky ny zava-misy.

Mitaintaina ny rehetra, lasa mikorontana ny saina hiatrika ny fanadinana, manahy mafy ny hoaviny ireo mpianatra.

Tatiana A.

Partager sur: