Fitsindronana zava-mahadomelina : ankizy 132 nosamborin’ny polisy nandritra ny volana avrily

Nirongatra ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika (héroïne,  rôrô, rongony…) tato ho ato. Mampalasa adala, mampiakin-doha, mahatonga tsy fandriampahalemana ary mampirongatra aretina maro (Vih sida…) izany.

Loza mitatao ho an’ ny tanora ny fifohana sy fitsindronana zava-mahadomelina, raha ny zava-misy. Maro amin’ izy ireny no tratran’ny aretin-tsaina. Misy ny lasa olon-dratsy ka mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana. Manginy fotsiny, mahazo vahana ny aretina isan-karazany toy ny Vih sida.
8,4% ireo mpitsindrona zava-mahadomelina no voan’ny tsimokaretina vih sida eto Mada­ga­si­ka­ra, ra­ha ny tatitra navo­kan’ny fi­kam­banana Ain­ga Aides. Manodidina ny 8 hatramin’ny 34 taona ireo ankizy sy tanora ma­nao izany eto amin’ny no­sy. “Ilaina ny fifampiresahana sy fandraisan’ny sehatra rehetra eto amin’ny Nosy anjara mba hitadiavana paikady hiadiana amin’ny fiparitahan’ny aretina sy ny zava-mahadomelina”, hoy ny filohan’ny fikambanana Ainga Aides, Dr Ranaza­ja­tovo Edmond, ny Alarobia lasa teo, nandritra ny atrikasa nokarakarain’izy ireo, te­tsy amin’ny Espace Dera, Tsi­adana.
Mahatratra 132 ny isan’ ireo ankizy nosamborin’ny polisy noho ny fidorohana zava-mahadomelina ny vo­lana avrily lasa teo, raha ny tatitra eo anivon’ny polisim-pirenena.
Ankoatra izay, misy fi­antraikany ratsy eo amin’ ny toe-karena, sosialy, ko­lon­tsa­ina ary politika ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.
Nilaza ny Dr Ranaza­ja­tovo Edmond, fa lafo be ny saran’ny zava-mahadomelina, mitarika ireo ankizy hangalatra. Lafo tahaka izany koa ny fitsaboana ireo mararin’ny zava-ma­hadomelina. Ny tena zava-doza, mitarika any amin’ny fahafatesana haingana iza­ny.
Niarahana tamin’ny mpi­tandro ny filaminana , ny fitsarana, ny mpandraharahan’ny fonja ary ny mpiasan’ny fahasalamana, ny atri­­kasa nataon’ny fi­kam­ba­nana Ain­ga Aides. Tan­jo­na ny hitadiavana vahaolana ma­haritra hiadiana amin’ny fiparita­han’ny zava-mahadomelina sy ny aretina azo avy amin’ iza­ny eto amin’ny Nosy.

Mino (mpianatra asa)

Lasa adala teo am-pifohana rongony i Mena

Lasa adala teo am-pifohana rongony i Me­na, mipetraka eto An­ta­nanarivo. Niteny irery, very tadidy no niandohan’izany, raha ny fanazavana. Nanandrana ni­fo­ka rongony niaraka tamin’ny namany izy, teo amin’ny faha-17 taonany, raha ny fitantaran’ ny mpiara-monina ami­ny. Mandeha mifoka mi­a­fina miaraka izy sy ny namany, aloha sy aorian’ ny fianarana. Tsy fantatry ny ray aman-dreniny ny fisian’izany. Nifoka fo­ana izy nanomboka teo rehefa tsy nahita ny fiantraikany ratsy teo amin’ny fahasalamany. Herintaona taty aoriana, lasa adala tanteraka vokatr’izany , raha ny fanazavana ihany.
Notsaboin’ny ray aman-dreniny teny Anja­na­masina, fitsaboana ireo marary saina, izy avy eo. Tsy naharitra teny fa nitsoaka izy sy ny namany, raha ny fitanta­ran’ny mpiara-monina hatrany. Nentina teny Imerintsiatosika indray avy eo mba hositranina. Nihatsara sy nisy fiovana kely ny fahasalamany tamin’izany. “Tsy nahatana fa niverina nifoka rongony indray izy taorian’ izay ka lasa adala tanteraka hatramin’izao”, hoy hatrany ny fanazavana.

Mitantara i Zily….

28 taona nifohana rongony
«28 taona nifohana rongony, manadino zavatra indraindray, menamena ihany koa ny maso», hoy i Zily, raim-pianakaviana 45 taona, manam-bady aman-janaka, mipetraka eto Antananarivo. Nilaza izy fa andrankandrana tamin’ny mbola kely ka tsy afaka intsony ary miankin-doha tanteraka hatramin’izao. Mahalany rongony iray isan’ andro, amin’ny vidiny 2000 Ariary izy.
“Tratran’ny polisy teo am-pividianana rongony ka nigadra valo volana tany am-ponja aho”, hoy izy. “Zara ary tsy lasa adala tamin’ny fifohana ary tsy hanandrana hitsindrona sao misy voka-dratsy eo amin’ny sainy”, hoy izy nanamafy. Ho azy, tsy mampatanjaka fa mampazoto amin’ny asa atao, indrindra raha miasa vatana izany.
Nohamafisiny fa mampalasa adala ny tsy fahazakana rongony ka tsy tokony anandrakandrana hihinana sy hifoka ary hitsindrona izany ny tanora. Misy amin’izy ireny no lasa adala, mangarom-paosy, manendaka, manolana…

Partager sur: