Ho raikitra ! Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny sary famantarana sy ny hira fanevan’ny lalaon’ny Nosy. Nanatrika izany ny avy amin’ny fitondrana malagasy sy ny avy amin’ny Vaomiera mpanara-maso ny fikarakarana.
Nampahafantarina ofisialy, omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny sary famantarana sy ny hira fanevan’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, hatao eto Madagasikara. Maki no nosafidiana handravahana ny logo, miaraka amin’ny lokon’ireo Nosy rahavavy eto amin’ny Ranomasimbe indianina. Ny Maki izay manana ny toetra tsy manaiky resy, mitory fiombonana, fahasamihafana, firahalahiana ary fahatsarana. Izany indrindra no antony nisafidianana azy ho “mascotte”. Mpanakanto nosafidiana manokana, nokendrena ho mahasolotena ny faritra manerana an’i Madagasikara no miangaly ny hira faneva. Hira maneho ny teny filamatra “Fandresena ao anatin’ny firaisan-kina sy ny fahasamihafana”. Anisan’ny mpihira mandravaka izany, ny Vilon’Androy, Zoky Vonjy, Jerry Marcos, Simonda, Agrad,…
«Misy dian-tanako»
Nanambara ampahibemaso ny filoha Rajoelina Andry fa anisan’ny nandray anjara tamin’ ny fanatsarana ny logo sy ny hira faneva ny tenany ary misy dian-tanany izany. “Tamin’ny alalan’ny fifaninanana no nisafidianana ny sary famantarana ary nisy fanatsarana natao”, hoy ny nambarany. Nohamafisiny fa endrika iray hampisehoana firaisan-kina, firaisam-po, firaisan-tsaina ny lalaon’ny Nosy, izay hatao eto Madagasikara. Santatr’izany, hoy izy, izao lanonana manan-danja izao, namoahana ny sary famantarana sy ny hira faneva. Samy nanamafy ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, fa tsy vao sambany no nandray lalao iraisam-pirenena i Madagasikara ary fanintelony izao no andraisan’ny firenena malagasy ny lalaon’ny Nosy. Hentitra ary mampiseho ny fahavononana anatin’ny fepetra tsara sy matotra, araka izany, i Madagasikara amin’ny fandraisana ity lalaon’ny Nosy andiany faha-11 ity.
Nambaran’ny minisitra Resampa André Haja fa izao vao nisy izany hoe naseho nandritra ny fivorian’ny CIJ (Comité International des Jeux) ny logo sy ny hira faneva. Fampisehoana sahady izany fa ho lalaon’ny Nosy tsara indrindra ity andiany faha-11 hatao eto Madagasikara ity, araka ny nambarany hatrany. “Hitondra sy hiantoka fiombonana eo amin’ny Nosy eto amin’ny Ranomasimbe Indiana ny sary famantarana sy ny hira faneva nampahafantarina androany”, hoy hatrany izy.
Manamafy ny tokony hisian’ny fiombonana, i Anthonio Gopal
Tetsy ankilany, nanamafy hatrany ny fiombonana eo amin’ny mpandray anjara, ny mpikarakara ary ny CIJ, ny filohan’ny CIJ, i Anthonio Gopal. Nankasitraka ny lanonana naseho tamin’ity fanolorana ny logo sy ny hira faneva ity izy ary nanamafy fa hifanampy mba hahatanterahan’ny lalaon’ny Nosy ao anatin’ny firaisan-kina sy ny firahalahiana.
Mi.Raz