Nirefodrefotra ny basy…: maty voatifitry ny polisy i Tojokely sy i Paul

Lavon’ny balan’ny polisy, nandritra ny fifandonana, omaly, tao an-tanànan’An­tsi­rabe i Tojokely sy i Paul. Jiolahy malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao an-drenivohitry ny faritra Vakinankaratra. Naharay an­tso avy amin’ny lasibatra ny polisin’ny UIR Antsirabe fa misy olona niharana fanendahana niampy vono. Nilaza ho nahita ireo jiolahy tompon’ antoka tamin’izany izy. Namonjy teny amin’ny piste Vatofotsy, toerana voalaza fa misy ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana. Hita teo tokoa ny jiolahy roa. eo am-pifohana zava-mahadomelina izy ireo. Nasain’ny polisy nitsangana mba ho savaina. Namoaka antsy avy any am-balahany ny iray, tsy nisalasala nanohitra. Nahita izany ny namany, mbola namoaka antsy tany aminy koa. Niaro tena ny polisy, lavo izy roa lahy.
“Efa ikoizana sy mpamerin-keloka amin’ny famakiana trano sy fanendahana izy ireo. Mbola hita teny amin’ny olon-dratsy ny antsy sy sabatra fampiasany rehefa manao ny asa ratsiny. Efa nahazoana fitarainana avokoa ny faritra maro ao an-tanànan’Antsi­rabe : Vatofotsy, Plaque Aca­démie, Tanambao, Lycée, Am­piha­via­na, Tsihitamaso, ma­no­didina ny gara sy Tsarasaotra.”, hoy hatrany ny polisy.

Jean Claude

Partager sur: