Rajaonson Hugues : mila apetraka ny politikan’ny harena an-kibon’ny tany

Manampahaizana amin’ny toekarena sady efa nitazona andraikitra ambony, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, ny Dr. Rajaonson Hugues. Anisan’ny navoitrany ny hampiroboroboana ity sehatra ity, ny hametrahana politikam-pirenena.

Maro ny hevitra naro­son’ny Dr. Rajaonson Hugues hanatsarana ny sehatry ny harena an-
kibon’ny tany eto Ma­da­ga­si­kara. Nomarihiny mikasika ny lalàna vaovao vao nolaniana teny amin’ny antenimierampirenena, ny herinandro lasa teo. Ho azy, hampitombo ny ma­sonkaren’ny kaompania mpitrandraka ny nampiakarana ny tahan’ny haba sy ny tamberim-bidy. Hanakana ny mpandraharaha koa ny fametrahana ny haba fanondranana any ivelany 10 hatramin’ny 20%. «Tsy isika irery no manana harena ambanin’ny tany, ka mety hampihemotra ny mpampiasa vola vahiny ny hitrandraka eto Madagasikara», hoy izy. No­ki­aniny koa ny tatao 3% amin’ny fampiasam-bola amin’ny fangatahana ny fahazoan-dalana hitrandraka, entina hamatsiana ny Tahiry ho an’ny sosialy sy ny olona eny ifotony (FMISC). Ho an’ny Dr. Rajaonson Hugues, laharam-pahamehana ny fametrahana ny politikam-pirenena ho an’ny harena an-kibon’ny tany aloha, vao mandeha ny famolavolana lalàna hanatanterahana azy.
Miroborobo ny fikarohana ny akora fototra ilain’ny indostria teknolojika, toy ny nikela, ny kobalta, ny fasimainty. Izay no nahasarika ny orinasa Ambatovy sy ny QMM hampiasa vola aty Madagasikara. Nanaraka izany ny Base To­liara, izay nahanton’ny fanjakana. Tokony hisy anefa ny fitohizan’ny raharaham-panjakana. Misy karazany telo ny ambana (ahiahy) ho an’ny kaompania vahiny. Voalohany, ny fijerena ny ambana any amin’ny fitantanana ankapobeny, toy ny fi­ka­jiana ny vola hampiasaina mi­aloha ny tena hiasana, amin’ ny alalan’ny fijerena ny lalàna ao amin’ilay firenena, ny habetsahan’ny tahiry azo trandrahana. Faharoa, ny fahatoniana ara-politika, sao ahiana hisy na misy ny fanonganam-panjakana, na koa sao misy fiovaovan’ny lalàna. Ary fahatelo, ny fiovaovan’ny vidin’ny akora trandrahina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ny masonkarena hikojakojana ny fotodrafitrasam-pitrandrahana.

Hampihemotra ny mpampiasa vola hafa
«Mikasika ny Base Toliara, midika fanakiviana hampihemotra ny mpandraharaha vahiny tsy hampiasa vola aty Madagasikara ny fampihantonan’ny fanjakana azy. Hany ka ho sarotra ny hisarika azy ireo ho avy aty amintsika. Tsy afaka hiandry fotoana ela anefa ny fanjakana. Hijanona mandrakizay ao ambanin’ny tany ao ireo harena ireo rehefa tsy hotrandrahana izay tena be mpitady tokoa eo amin’ny tsena», hoy ihany izy.
Aminy, hiteraka harena fanampiny, hampandroso ny faritra eo an-toerana sy ho an’ny firenena ny fisian’ny Base Toliara, satria hiforona ny asa, hahazo tombom-barotra ny sehatra samihafa, toy ny fitaterana, ny fambolena, ny varotra, ny fizahantany, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: