Hifantoka etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka avokoa ny sain’ny besinimaro, indrindra fa ny mpankafy ny baolina lavalava, anio sabotsy.
Hotanterahina eny an-toerana ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, lalaovina olona 15, sokajy vehivavy “Women’s cup D1”. Firenena efatra no hiady ho lohany. Anisan’izany ny Makis Ladies, ny Liona Kamerone, sy ny Kenianina ary ny ekipa Afrikanina tatsimo.
Raha ny fandaharan-dalao, hidona amin’ny Kenianina ny Makis, anio. “Amin’ ny fihaonana goavana toa itony, zava-dehibe ny fihaonana voalohany, hikatsahana fandresena. Tsy maintsy mitady io isa 3 io ny Makis mba hahazoana antoka amin’ny tohin’ny fifanintsanana”, hoy i Berthin Zoto, mpanazatra ny Makis Ladies.
Vonona ireo mpilalao. Ao anatin’ny fifantohana tanteraka ny rehetra: izy 27 mirahavavy sy ny mpanazatra ary ny mpiara-miasa aminy. Tontosa avokoa ny fanomanana rehetra na ara-moraly na ara-batana. Vita ny fanitsiana ara-teknika sy ny taktika rehetra. Miandry ny mpijery hanohana sisa ny Makis Ladies.
Hanokatra ny lalao, ny tovovavin’i Cameroun sy ry zareo avy atsy Afrika Atsimo. Efa tonga avokoa ny ekipa telo hifanandrina amin’ny Makis Ladies. Miara-mipetraka amin’ny hotely iray, eny Ivato, ny ekipa efa-tonta.
Manan-danja lehibe ny “Women’s cup D1”. Hiatrika ny fiadiana ny “Mondial 2025” izay ho tompondaka. Hanao ny “World cup D2”, fifaninanana vaovao ny faharoa.
Tompondaka