Tetikasa Lead : hanomezana kojakojan-jiro tsara sy manara-penitra

Miparitaka manerana ny tsena ny varotra jiro sy ny kojakoja mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Tsy an-tanàn-dehibe ihany, fa saika manerana ny Nosy. Tsy manara-penitra sy ratsy kalitao ny ankamaro­an’izy ireny, hany ka mora simba sady tsy mateza. Manoloana izany, misy ny tetikasa Lead*, iraisan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny loharanon-karena stratejika (MEH) sy ny Banky Iraisam-pirenena, izay natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly. Tanjona, ny hanomezana tolotra manara-penitra sy tsara kalitao ny mpanjifa, ny fitambarana kojakoja jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro fampiasa ao an-tokantrano (SSD). Araka ny fenitra manan-kery eto Madagasikara (NMG 202-1 sy ny 202-2 ny taona 2018), manodidina ny 10 hatramin’ny 350 W ny tanjaka. Anka­to­avin’ny Biraon’ny fenitra eto Madagasikara (BNM) izany. Efa nihatra nanomboka ny taona 2019 koa ny lalàna, tsy hitataovan-ketra ny kojakoja SSD eny amin’ny ladoany.

Araka ny antontanisan’ny MEH, mampiasa jiro tsy miray tambajotra amin’ny mahazatra ny 21,6%-n’ny tokantrano ma­lagasy. Nilaza ny tomponandraikitry ny tetikasa Lead, fa entina hiarovana ny mpanjifa ny fanentanana hampiasana ny kojakoja SSD. Sady fandraisana anjara amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina azo antoka sady miaro ny tontolo iainana.

Njaka A.

*Lead : Least-coast Electricity Acces Development Project.

Partager sur: