“Nahitana fihenana ny fahapotehan’ny ala sy ny fanaovana tevy ala teto Madagasikara nandritra ny valanaretina covid-19. Nitombo kosa izany tany amin’ireo faritra ivelan’ny faritra arovana”, hoy ny fanazavan’ireo tomponandraikitra avy amin’ny World Resources Institute (WRI), nandritra ny atrikasa nataony, teny Antaninarenina, omaly. Nisy ny fanadihadiana niarahan’ny WRI sy ny Madagascar National Parks (MNP), nahitana ity vokatra ity. “Ny taona 2021 sy 2022 no tena nahitana ity fihenan’ny fahapotehan’ny ala ity ka mbola hojerena ny nahatongavana tamin’izao fahombiazana izao”, hoy kosa ny mpanolotsaina toekaren’ny filoham-pirenena, Raharinirina Baomiavotse Vahinala.
Ao anatin’izany ny fitantanana ny faritra arovana, ny tsy fandeferana amin’ny fanimbana ny tontolo iainana, ny fitsirihana atao. Mbola ho dinihina amin’izany koa ny fijerena ny toekarena maitso sy ny fihariana ao anatin’ireo faritra arovana. Ankilan’izay, misy ny lesoana azo tsoahina momba ny fitantanana ny roa tonta, izany hoe ny faritra arovana sy ny ivelan’izany. Tsara jerena ihany koa, hoy izy, ny asan’ireo vondron’olona ifotony izay nomena famindram-pitantanana.
Henintsoa H.