“Tournoi des 4 Nations” : hanazatra ny Barea U23 indray i Boualem Mankour

Taorian’ny fifanintsanana amin’ny fandraisana anjara ny Can U23, taranja baolina kitra, dia naverina ho mpanazatra ny Barea U23 i Boualem Mankour, teratany frantsay. Araka ny vaovao navoakan’ ny Union des footballeurs internationaux et Cadressportifs Malagasy (Uficasm), omaly, dia hanatanteraka fampivondronana voalohany ho an’ireo zandrikely, any Paris, izy ireo, ny volana Jona.
Natao hiatrehana ny fifaninanana “Tournoi des 4 nations” izany, izay handraisan’i Como­res sy Guinée Bis­sau ary Congo Brazzaville an­jara. Nomari­hin’ ny Uficasm fa teratany malagasy avokoa ireo teknisiana hiara-hiasa amin’ity vahiny ity. Tsara ny mampahatsiahy fa lavon’i Gabon, tamin’ny lalao mandroso sy miverina ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny fifanintsanana Can U23 farany teo.
Marihina fa mifarana ny taona 2024 ho avy izao ny fifanarahana misy eo amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny Uficasm.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: