Ambohitrarahaba: mpitondra bisikileta maty voahitsaky ny kamiao

Nampihoron-koditra ! Niparitaka eran’ny arabe ny atidohan’ny raim-pianakaviana iray voahitsaky ny kamiaobe teny Ambohitrarahaba, afakomaly…

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy Ambohitra­rahaba, afakomaly tolakandro. Raim-pianakaviana iray nitondra bisikileta no maty tsy tra-drano voahosin’ny kamiao. “Nanaraka ilay kamiao avy aoriana izy”, hoy ny nambaran’ny nanatri-maso. Poa toy izay, nidoboka tampoka ka lavo tamin’ny arabe. Nikoropaka nijery ny zava-misy ny manodidina. “Nipotsaka tao ny atidohan’ilay lehilahy”, hoy ny fanamafisan’ny nanatri-maso. Efa mpandalo eo amin’io toerana nitrangan’ny loza io ity namoy ny ainy ity. Mety niteraka ny fahavoazany ny fanarahany ilay kamiao tany amin’ny ilany havanana teo amin’ny arabe, raha ny nambaran’ireo nahita ny loza. Nandray an-tanana ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Naiditra ambalam-pamonjana ilay kamiao.

Tsiferana R.

Partager sur: