Fihariana: toho-tantely 1.000.000 haparitaka manerana ny Nosy

Harena sy namana ny tantely. “Andao hamonjy ny tantely ho an’ny famokarana manaja ireo bibikely mpamindra vony, mpampivady zava-maniry”. Io ny teny filamatra nentin’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana (Mi­nae), nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ ny tantely, ny zoma sy sabotsy teo, tetsy amin’ny Carlton Anosy. Tanjona ny hiaro ny tantely tsy ho lany tamingana sy hampaharitra ny fisiany. Araka izany, voafaritra mazava ny politika apetraky ny minisitera momba ity seha-pihariana ity. “Ao ny fametrahana toerana famokarana renin-tantely. Hizara toho-tantely maoderina miisa 1 000 000 manerana ny faritry ny Nosy isika”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Raharino­mena Fanja. Atao izany mba hampiroboroboana ny fampiasana ny toho-tantely sy fitaovana maoderina hanofanana ireo mpisehatra. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fampiofanana ara-teknika sy fampitaovana ny mpiompy sy ny fifehezana ny aretina varoazy. Ao koa ny famokarana tantely biolojika, izay efa an-dalana ny fandaniana ny lalàna ho amin’izany, araka ny fanazavana voaray hatrany. An­koatra izay, nisy ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo mpisehatra amin’ny fihariana tantely, ny zoma teo. Teo ihany koa ny fampirantiana ny vokatra azo avy amin’ny tantely sy ireo fitaovana fikirakirana izany, teny An­taninarenina, ny sabotsy teo.

Henintsoa H.

Partager sur: