Fiteam : 4 tapitrisa ny Tandroy mila ravinahitra manerana ny Nosy

Nanatanteraka fihaonambe ny fikambanan’ny terak’An­droy (Fiteam) tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny sabotsy teo. “Tanjona ny fanehoana firaisankina”, hoy ny filohany Rakotondrazaka Ladislas Adrien.

Tonga namaly ny antso avokoa ireo terak’Androy ao amin’ ny fitondram-panjakana sy ny mpianatra avy any amin’io faritra io mandranto fianarana eto ary ireo mpila ravinahitra eto Antananarivo.
Nanana ny solontenany avokoa ny distrika ao anatin’ny faritra toy ny ao Ambovombe, Bekily, Tsihombe, Beloha ary Amboasary Atsimo,
“Malagasy iray atambatry ny Nosy ka tsy tokony hovoizina ny firazanana sy ny fisarantsarahana”, hoy ny filohan’ny Fiteam, Rakotondrazaka Ladislas Adrien. Nanaporofo izany indrindra izy ireo tamin’ ny hetsika natao tetsy Ampe­fi­loha.

Samy nanotrona tao ny naman’Androy sy ireo mpitondra fanampiana any Androy. Misy ireo dokotera sy mpanao asa soa any an-toerana naneho firaisam-po.

Ny firaisankina no mitondra amin’ny fampandrosoana ko­koa. Manodidina ny 4 tapitrisa any ireo zanak’Androy mila ravinahitra miparitaka amin’ny faritra 22 ary mivondrona anaty fikambanana izy ireo maneho fa iray tsy mivaky. Maro mpifindra monina ny terak’Androy noho ny fitadiavana ka fotoana ivondronan’izy ireo ny fihaonambe toy izao.

Tatiana A

Partager sur: