Liva Ramorasata: andrarezin’ny mozika malagasy

Liva Ramorasata, mpahay kanto manana ny maha izy azy eo amin’ny mozika, in­drindra ny piano. Mpampi­a­na­tra ary mpikaroka eo amin’ny sehatry ny mozika ihany koa izy, ankoatr’izay. Efa ampolo taonany maro no nanaovany izany asa izany ary mbola mitohy ankehitriny. Maro ny mpitendry mozika manana ny maha izy azy novokariny. Mbola mitohy izany fampianarana sy fizarana fahaizana amin’ny tanora izany ankehitriny. “Manan-karena mozika ny Malagasy ary manan-karena mpahay mozika sy mpanatalenta maro. Ilaina trandrahana sy atosika izy ireny, hampiroborobo ny haikanto, indrindra ny mozika malagasy”, hoy i Liva Ramorasata.
Anisan’ny andrarezin’ny mozika malagasy raha i Liva Ramorasata. Ny fitendrena piano Ba gasy no tena mampiavaka sy manavanana azy. Maro ny sekoly sy toeram-panofanana mampianatra mo­zika no maka azy ho mpampiofana. Ny fitiavana sy fahalinana amin’ny mozika no nanosika azy hikaroka ka nahatongavany amin’izao toerana misy azy izao.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: