Fotoana mamy nifampizarana hafaliana sy nihaonana, teo amin’ izy miandahy sy ny mpankafy azy, ny teny amin’ny CCEsca Antanimena. Nahafinaritra tokoa ny seho nomen’izy ireo ny mpankafy ary nahitana kanto maroloko samy nanana ny maha izy azy.
Tontosa teny amin’ny CCEsca Antanimena, ny sabotsy 20 mey 2023, ny fampisehoana tokana , nataon’ny tarika Soa, nahitana an’i Ludysoa sy Nathan. Fampisehoana goavana tafiditra tao anatin’ny hetsika ataon’izy ireo ao anatin’izao fandalovany eto Madagasikara izao. Hira tranainy nolaroana hira malaza sy gadona ankehitriny, narahina valiha. Ireo no tena nampiavaka ity fampisehoana ity. Afa-po ny rehetra ary nalai-nisaraka ny mpahay kanto sy ny mpankafy azy ireo, tany am-piafaran’ny fampisehoana. Any ivelany indray ny tarika Soa no hanao fampisehoana taorian’ity fiarahana tamin’ny mpankafy azy ireo teto Madagasikara ity.
Nanome fotoana ny mpankafy azy ireo teny amin’ny CCEsca Antanimena, i Ludysoa sy Nathan, mandrafitra ny tarika Soa. “Efa ela no nanomanana iny fotoana iny, saingy noho ny zava-nisy maro dia izay vao tanteraka”, hoy ny mpikarakara ny hetsika. Seho an-tsehatra niarahana tamin’i Tsiry, mpanakanto vao misandratra avy any amin’ny faritra Atsinanana no nanokafana ny sehatra. Tany amin’ny tapany faharoan’ny fampisehoana izay vao niaka-tsehatra ny tarika Soa. Fampisehoana nifangaro kolontsaina maro no naseho tamin’iny fotoana iny. Naneho ny zavatra nampiofanina azy sy nampianarina azy ireo nandritra ny naha tany ampita azy izy ireo, ankoatran’ny fanehoana ny maha Malagasy sy fanandratana izany. Nisy ny fihirana hira malagasy fahiny, narahina valiha, anisan’ny zavamaneno mampiavaka ny Malagasy.
Efa manana hira maro ny tarika Soa amin’izao fotoana izao, ary efa maro ny trano mpamokatra vahiny miara-miasa amin’izy ireo, ankoatra ny efa fiaraha-miasa amin’i Pascal Obispo, mpamoron-kira sy mpandrindra Frantsay. Vinavinan’ny tarika ny hamoaka raki-kira voalohany amin’ny fiafaran’ity taona ity.
Lin (Mpianatra asa)