Voa mafy ny roa tamin’ireo mpianatra sivy naratra, vokatry ny fifandonana noho ny lonilony teo amin’izy ireo, tao amin’ny oniversite Andrainjato, afakomaly.
Mpianatra avy amin’ny faritra roa samy hafa nifampihantsy ady. Araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny zandary ao an-toerana, fanapahan’ny mpianatra iray avy any Menabe ny akondro naniry teo akaikin’ny trano fonenan’ny mpianatra avy any Toliara no nitarika ny ady. Tsy nanaiky io fanapahana ny akondro maniry eo amin’izy ireo io ilay mpianatra anatin’ny fikambanana “Toliary Fédéral”. Nihenjan-droa ny tady satria nanampy ny vondron’ny mpianatra avy ao Menabe ny avy ao Atsimo Atsinanana. Vokany, mpianatra 9 naratra vokatry ny fifampikasihan-tanana teo amin’ny vondrona mpianatra avy ao Toliara sy ireo avy any Menabe. Nentina notsaboina eny amin’ny hopitaly manara-penitra ao an-toerana ireo roa naratra mafy.
Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso
Manoloana ny savorovoro niteraka fikorontanana tao anatin’ny faritry ny oniversite, niditra an-tsehatra tamin’ny fampitsaharana ny ady ny mpitandro filaminana. Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso. Nitsahatra ny ady nisy teo amin’ny samy mpianatra. Nampivondrona ny andaniny sy ny ankilany nahafahana mampitsahatra tanteraka ny ady ny mpitandro filaminana. “Efa nisy ady mangatsiaka hatry ny ela teo amin’ireo mpianatra ireo”, hoy ny zandary. Ankoatra io, niditra an-tsehatra amin’ny fampihaonana ireo mpianatra ireo koa ny filohan’ny oniversite ao an-toerana, hahafahana mamaha ny olana. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha.
Tsiferana R.