Rallye mathématique faha-19 : 244 ireo mpianatra nifaninana

Nofaranana teny amin’ny Lycée Français Ambatobe, ny sabotsy lasa teo, ny fifaninanana “Rallye mathématique” an­diany faha-19. Ekipa valo isa­ky ny sokajy no niatrika ny din­gana famaranana, nandraisan’ ny faritra enina anjara, tamin’ ity taona ity. «Fifaninanana ma­tematika famahana olan’ny fiainana andavanandro ny «Ral­lye mathématique» ka hi­za­rana ny ankizy mpianatra hiaina ny matematika», hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpampianatra taranja matematika eto Mada­gasikara (Gem­ma), Ramaha­zo­soa Irrish Par­ker, teny Am­ba­tobe. Fam­pi­a­na­rana ny taranja amin’ny fomba hafa ny lalao sady hampiroboroboana ny fitiavan’ny ankizy ny taranja matematika satria tsy azo ialana mihitsy amin’ny seha-piainana rehetra.

Mizara sokajy efatra ny mpifaninana teny anivon’ny sekoly. Sokajy A mpianatra 6ème -5ème, sokajy B mpianatra 4ème -3ème, sokajy C kilasy seconde, 1ère sy famaranana tsy siantifika, sokajy D misy mpianatra 1ère sy kilasy famaranana siantifika. Mpianatra 244 (11-17 taona) avy eto Antananarivo, Antsirabe, Mahajanga, Taola­gnaro, Toamasina, Fianarantsoa no nifaninana. Teto Ana­la­manga, 44 ny sekoly nifaninana ary niakatra isan-taona ny isa. Niato nandritra ny fiparitahan’ ny valanaretina Covid-19 ny fifaninanana ary niverina ta­min’ity taona ity.

Avo ny fari-pahaizan’ny mpianatra nifaninana, hoy ny fanazavana azo. Nisongadina tamin’ny sokajy A ny mpianatra avy amin’ny Nicolas Barre Toamasina. Lasan’ny Lycée Joyeux Lurons eto Anta­na­narivo ny voalohany ho an’ny sokajy B. Claire Fontaine any Taolagnaro no nandrombaka ny voalohany ho an’ny sokajy C ary mbola ny Claire Fontaine fa eto Antananarivo no nisongadina ho an’ny sokajy D. Na­no­trona ny lanonana fizarana ny loka ny masoivohon’i Frantsa eto amintsika, Arnaud Guillois. Nanambara izy fa havanana amin’ny matematika ny Ma­la­gasy ary tsy vitsy ireo efa nisongadina amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Vonjy A.

Partager sur: