Nikasa haka ny varavaram-by miisa fito sy ny siniben-drano iray, tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray tao amin’ny sekoly ambaratonga fototra (EPP), fokontany Mandimbisoa, kaominina ambanivohitra Sambaina, distrika Manjakandriana, afakomaly alina. Nesorina tamin’ny trano sekoly avokoa ireo varavarana ireo. Naharay loharanom-baovao ny zandary ka nijery ny zava-nisy. Nirifatra nandositra ireo jiolahy nikasa haka ireo varavarana sy siniben-drano. Voasambotra niaraka tamin’ny fiara nokasaina hitondra ireo entana halatra ny jiolahy iray. Notanana hatao famotorana ity farany. Nogiazana ilay fiara. Tsy nisy voaroba ireo entana tao anatin’ny sekoly.
Tsiferana R.