Hanomboka anio ary hifarana ny 2 jona izao ny kongresy maneran-tany faha-19 momba ny toetry ny andro. Handray anjara amin’izany i Madagasikara amin’ny alalan’ny fandraisana anjara ampitain-davitra ho an’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro fa hanatrika izany mivantana kosa ny solontena maharitry ny Repoblika malagasy eo anivon’ny Firenena mikambana any Genève (Suisse). Isaky ny efa-taona no fanatanterahana izany kongresy izany.
Halefa mivantana ao amin’ ny fantsona ny fivoriana.
Ho amin’ity taona ity, hifantoka amin’ny fijerena akaiky ny laharam-pahamehana stratejika hampiroboroboana tontolo afaka miatrika sy miarina manoloana ny karazana tranga ara-toetr’andro sy toetry ny rano mahery vaika ary ireo tranga hafa mifandraika amin’ny tontolo iainana ny fihaonana. Anisan’ny lohahevitra lehibe hodinihina mandritra izany ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ireo manam-pahefana ara-panjakana ambony hanatanterahana ilay vinan’ny Firenena mikambana hahafahan’ny olona tsirairay hisitraka ny atao hoe fampitandremana mialoha amin’ny taona 2027.
Anisan’ireo firenena 30 voalohany voafidy hampiharana izany i Madagasikara ka handray anjara fitenenana ampitain-davitra ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, anio. Hiompana amin’ny fanafainganana sy fanamafisana ny hetsika mifandraika amin’izany any amin’ ireo firenena tsirairay ny ady hevitra hotanterahan’ireo manam-pahefana ambony ireo.
Fandaharam-potoana koa ny fifidianana izay ho filoha sy ny filoha lefitra ary ny sekretera jeneraly vaovaon’ny Fikambanambe iraisam-pirenena misahana ny toetry ny andro.
Vonjy A.