Lavon’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambatomirahavavy ny dahalo iray nandritra ny fifampitifirana tao amin’ny fokontany Ambohidranomanga, kaominina Ambatomirahavavy, afakomaly hariva. Nifanehatra tamin’ireo zandary notarihin’ny CB Ambatomirahavavy ny dahalo telo lahy nitondra omby. Vao nahita ny zandary anefa izy ireo dia nitsoaka avy hatrany sady namoaka basy. Raikitra teo ny fifampitifirana. Vokany, maty voatifitra ny iray tamin’ireo dahalo raha tafaporitsaka kosa ireo namany. Tavela ny basy poleta iray vita tanana niaraka tamin’ny bala efa nipoaka. Fantatra nandritra ny famotoran’ny zandary fa omby avy any Ambohimanarivo Imerintsiatosika, very tamin’io fotoana io, ity nangalarin’ny dahalo ity. Efa naverina amin’ny tompony izany.
Jean Claude