Ambohimiandra, Ambohitrimanjaka : hiaka-tsehatra ry Faly, Rakoto, Niravo, Antsaravaka…

Raikitra ny fitetezam-paritra. Hiaka-tsehatra eny amin’ny Ekar Ambohimiandra, distrikan’Ambohitrimanjaka ireo mpilalao tantara an’onjam-peo. Ahitana an-dRakoto, i Faly, i Niravo, i Antsaravaka, ary i Synèse. Hotanterahina ny alahadin’ny Pantekoty izao, manomboka amin’ny 2 ora, eo an-tokotanin’ny fiangonana Md Piera izany. Holalaovin’izy ireo an-tsehatra amin’izany ilay tantara nosoratan’i Ony Mihajanirina, mitondra ny lohateny hoe “Ondry botry”. Anehoana ny fiainanana andavanandro ifamahofahoan’ny harena sy ny fahantrana. Ny olan’ny fianakaviana sy ny fitondran-tena. Eo koa ny hatsikana sy ny fampitana anatra… Natao ho an’ny sokajin’olona rehetra rahateo ny seho an-tsehatra ary ifanakaikezan’ireto mpilalao tantara ireto amin’ireo mpankafy ihany koa. Hisahana ny fandrindrana teknika sy ny fanentanana kosa i Bruno Rakotomalala.
Tsiahivina fa mikarakara izany ny antoko mpihira eny an-toerana.

Randria

Partager sur: