Fikaonandoha: mitaky ny tetiandro ny G5

“Mitaky ny G5 sy ny vondron-kery rehetra nivory teto mba handraisain’ny fitondram-panjakana andraikitra amin’ny famoahana tetiandro hanatanterahana fikaonandoham-pirenena miainga any ifotony”, hoy ny mpitondra tenin’ny G5, Razanakoto Mar­cellin, nilaza ny fehinkevitry ny G5, taorian’ny fivoriana nikaton-trano, teny Antanimena, ny herinandro teo.
Manome ny fanjakana fe-potoana 15 andro, hamaliany ny fitakiany ny mpizaika rehetra. Etsy andaniny, hampahafantatra ny vahoaka sy ny vondrona iraisam-pirenena ireo fanitsakitsahana ny la­làmpanorenana sy ny didy aman-dalàna, indrindra ny zon’olombelona, izy ireo.
Amin’ny maha tandroka aron’ny vozona ny Fo­lo­alindahy, manao antso avo amin’izy ireo ny mpizaika mba handray andraikitra ma­noloana ny raharaham-pirenena. Raha sanatria ka tsy manolotra tetiandro hanatanterahana ny fikaoandoham-pirenena miainga any ifotony ny fitondram-panjakana, hiroso amin’ny fidinana an-dalambe ny hery rehetra miaraka amin’ny G5.
“Tsy mieritreritra hanao Tetezamita ny G5. Nefa mitaky ny voalazan’ny fehinkevitra izy ireo, satria tandindomin-doza ny firenena”, hoy izy. Fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana no mai­ka, fa tsy mbola fidinana an-dalambe.
Anisan’ny eo anivon’ny vondrona G5 ny Hiffim, ny HVM, ny RMDM, ny VPHM, ny Panorama.

R. Nd.

Partager sur: