Anisan’ny fokontany be mponina sy mamokatra ny fokontanin’Antanambao Nosibe, anatin’ny kaominina ambanivohitr’ Antetezambaro, disitrikan’ i Toamasina II. Avy ao Toamasina, 25 km manaraka ny lalam-pirenena faharoa izy. Miisa 1560 ny mponina ao aminy, izay mizara amin’ny tanàna 20 ankoatra ireo lazaina hoe Andasy na Ankapa. Tanàna mamokatra Antanambao Nosibe. Saika avy ao avokoa ny vokatra atao sakafo na haondrana, na ireny akora ampiasain’ny isan-tokantrano andavanandro, toy ny arina, kanelina, vary, ravinala, hazo fanaovan-trano, akondro,voankazo isan-karazany ireny.
Mampalahelo, hoy ny sefo fokontany ao an-toerana, Lezoma Frederic, fa tsy misy miditra amin’ny fokontany ny vola alaina eo amin’ny haba amin’ny tsena. “Isaky ny alakamisy ny tsena eto aminay ary miakatra avokoa ny vokatra avy any ambanivohitra rehetra”, hoy hatrany izy. Nambarany fa 100 Ar isaky ny kitapo ny haba alaina amin’ny arina, tsy latsaky ny 6.000 kitapo no mivoaka sy tonga eo an-tseranana isaky ny andro tsena. Manodidina ny 10 t isaky ny tsena ny kanelina izay hakana 100 Ar ihany koa ny kilao. Andoavam-bola 500 Ar rahateo ny fiantsonan’ny lakana eo amorondrano.
Sajo