Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza nanao fihetsika feno habibiana tamin-janany, tao Vakinankaratra. Ny alakamisy teo, tonga nametraka fitarainana tao amin’ny polisy misahana ny ankizy sy ny vehivavy ao amin’ny talem-paritry ny Filaminana anatiny ao Vakinankaratra ny ramatoa iray fa hoe nisy nanolana ny zanany 12 taona. Tsy iza no nanolana ity zanany ity fa ny rainy niteraka azy ihany. Nandeha tany an-tranony avy hatrany ny polisy ka noraisim-potsiny ilay nahavanon-doza. Niaiky tokoa izy fa tompon’antoka tamin’izao raharaha izao nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Nilaza izy fa efa matetika manao herisetra amin-janany vavy toy izao saingy izao izy vao tratra.
J.C