Sehatra iray nentin’ireo mpandraharaha 12 isa mahazo tosika avy amin’ny NextA ny hetsika fikaonandoha momba ny fanovana sy ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajimirindra eto Afrika « Assises de la Transformation digitale en Afrique » (ATDA) andiany faha-12, ny zoma sy sabotsy teo, tetsy amin’ny Novotel. Samy nampiseho ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatry ny nomerika avokoa ireo start up voalaza etsy ambony. Tafiditra amin’izany ireo mpandraharaha misehatra amin’ny fahasalamana sy ny fampianarana ary ireo maro hafa. “Tsy maintsy miroso amin’ny fanatontoloana sy ny haitao ara-kajimirindra isika, manaporofo izany ity hetsika ATDA ity”, hoy ny fanazavan’ny talen’ny NextA, Rakotondrainibe Carole. Notohizany fa zava-dehibe ity hetsika ity noho izy hahafahan’ny rehetra mizara traikefa sy ny fahaiza-manaony entina hampiroborobona ny sehatry ny nomerika eto amintsika sy ireo firenena afrikanina.
Henintsoa H.