Niorina ny taona 1991 ny Fikambanan’ny terak’Imady monina eto Antananarivo (Imianta). Tanjona ny hiroboroboan’ny mpikambana sy hisian’ny firaisankina ho an’ireo mila ravinahitra sy monina eto an-dRenivohitra. Manodidina ny 4.000 ny mpikambana amin’izao fotoana izao. Ahitana mpandraharaha ara-toekarena, indrindra ny sehatry ny varotra, ny trano fiantranoana. Misy koa ny manana andraikitra ambony amin’ny sampandraharaham-panjakana sy rafitra samihafa. Ary eo ny tanora mandranto fianarana sy ny eny amin’ny oniveriste. Tsy manao politika ny Imianta, fa misy kosa ny mpikambana mitana andraikitra ambony sy ara-politika.
Hanamafisana izay firaisankina sy hanamafy orina ny fikambanana izay, mikarakara fitsangantsanganana ny Imianta amin’ny alatsinain’ny Pantekosta, ny 29 mey ho avy izao, eny Ambohimalaza. Ankoatra ny fiaraha-misakafo, misy koa ny nofon-kena mitam-pihavanana, hamonoana omby dimy na enina mandritra io fotoana io.
Njaka A.