Nanokafan’ny eo anivon’ny Bianco fanadihadiana ireo sampan-draharaha maromaro eo anivon’ny kaominina Toamasina. Voalaza fa anton’izany ny fanahiana kolikoly niainga amin’ny fitarainan’ireo manao raharaha ao amin’ny fiadidiana ny Tanàna. Eo koa ny ahiahy amin’ny mety ho fanodinkodinam-bolam-panjakana ary fanaovana hosoka eo anivon’ ity kaominina ity. Sesilany ny taratasy fiantsoan’ny Bianco ireo tomponandraikitra amin’ny sampan-draharaha, taorian’ny fandoavam-bola na fizarana “Bon de caisse” tany anaty trano fisotroana sy momba an’ ilay antsoina hoe”Ticket be loha” niparitaka teo anivon’ny tambajotran-tserasera. Manampy izany ny fahadisoana tsipelina anatin’ny sora-piankohonana ary matetika mitranga ka hakan’ireo misahana izany vola hatrany amin’ny 30.000 Ar. Mazava ny nambaran’ny eo anivon’ny tonian’ny fampanoavana ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany vaovao, i Vahiny Yvi Sandro, ny 28 avrily teo. “Tsy handefitra amina endrika kolikoly sy hosoka ary fanodinkodinam-bolam-panjakana ny fitsarana”, hoy izy. Nampitandrina ny rehetra ny tenany amin’izany ary niangavy mba samy
handray ny andraikiny. Tokony ho sahy hitoroka koa ireo iharan’ izany fomba mamoehatra izany, araka ny nambarany.
Sajo sy Synèse R.