Nahavaky lalam-baovao, lalan-tany 22 km mampifandray ny fokontanin’Ambalatenina avaratra sy ny renivohitry ny kaominina Andodabe tonga hatrany amin’ny kaominina Ampisokina, distrika Toamasina II ny fitondram-panjakana. Natao izao mba hampifandraisana ny faritra sy hanamorana ny fampandrosoana ary ny famoaham-bokatra any an-toerana. Tombontsoa ho an’ny mponina ity fotodrafitrasa vaovao ity noho izy manamora ny fitaterana, indrindra ny fanatonana toeram-pitsaboana. Ny talata teo, tonga tany an-toerana nanolotra ity lalam-baovao ity ny governoran’ny faritra Atsinanana, Rafidison Richard Theodore. Nanolotra soso-kevitra ihany koa ny tenany hikojakojana ny lalana. Marihina fa sambany no nisy solontenam-panjakana tonga tao Ambalatenina ankoatra ireo kandidà milatsaka ho ben’ny Tanàna sy solombavambahoaka manao fampielezan-kevitra. Ny talata teo, tonga tany an-toerana ireo milina vaventy hamboatra lalana.
Sajo/Henintsoa H.