Sandratra Tanambe : “Ôsikalo”, boky sy endri-tononkalo vaovao

Feno 10 taona ny sampan’ny Faribolana Sandratra ao Tanambe, Ambatondrazaka. Anatin’ny fanamarihana iza­ny ireo mpiray faribolana, ka nosantarina tamin’ny famoahana ny “Ôsikalo” izy io, ny faran’ny herinandro teo. Anaran’ny boky, kanefa ihany koa anaran’ny endrin-tononkalo vaovao, vokatry ny fikarohan’i Kelly Randria izy ity. “Tononkalo, elanelanina ôsika kely sady fohy ny ôsikalo”, hoy ny fanazavan’ny mpamorona, izay sady mpandrindra ny sampana Faribolana San­dratra any an-toerana rahateo.
Raha toa ka 4 izy ireo tany am-panombohana, 25 eo izao ireo mpiray faribolana any Tanambe. Toa ny sampana velona rehetra, manao ny dinika literatiora, dinika boky, fitetezana sekoly arahina vela-kevitra, sns, izy ireo. Manam-pikasana hitondra ny ôsikalo hitety vazan-tany ry zareo, ho fampahafantarana ity endrika literatiora vaovao ity. Mazava loatra fa tsy maintsy hisy ny vela-kevitra hitondran’i Kelly Randria ny fanazavana bebe kokoa momba izany.

Zo ny Aina

Partager sur: