Sokatra 43 very tany Toliara : tsy nampiharina ny Dinabe

Nisy sokatra miisa 43 tratra tany amin’ny tokantranon’olona iray, ny volana avrily teo. Niisa efatra no voarohirohy, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dreed) Atsimo Andrefana. Olona telo indray no voaantson’ny fitsarana, nomena fahafahana vonjimaika ny roa, anisan’ilay nahatrarana ny sokatra tao an-trano, ary iray sisa no notanana vonjimaika. Taorian’ ny fitsarana ny 2 mey 2023 teo, nangataka ny hanemorana ny fotoam-pitsarana ny fikambanana Turtle survival advice (TSA). Mila fanadihadiana lalina kokoa satria tao amin’izy ireo no fantatra fa nangalarana ny sokatra 38 tamin’ireo 43. Tao amin’ny toerana antsoina hoe Lavavolo, fokontany Itam­polo no nisian’ny halatra sokatra miisa 38 tamin’ireo 43 tratra tao an-tranon’ny olona iray, lasa voarohirohy amin’ny raharaha eny amin’ny fitsarana. Nametraka fitoriana koa ny TSA, noho io halatra tao amin’izy ireo io.
Tokony handray ny andraikiny amin’ity raharaha ity ny Dinabe, satria efa nankato­avin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toliara fa afaka ampiharina nanomboka ny aogositra 2020. Araka ny andininy faha-13, hatao ny « kabary », tarihin’ny olona miisa fito, fidiana avy amin’ireo mpikambana miisa 13 ao anatin’ny mpitantana ny Dinabe, mandinika ny raharaha. Samy misy Dinabe avokoa eny anivon’ny fokontany, ny kaominina, izay tendren’ny lehiben’ny distrika ny filohany avy. Tendren’ny prefe kosa ny filohan’ny Dina­be ao amin’ny distrika sy ny ao amin’ny faritra.

Tsy nisy ny « kabary »

Milaza ny andininy faha-17 ao amin’ny Dinabe, fa atao ao amin’ny fokontany ny « kabary », raha toa ka fokontany iray ihany no voakasik’ilay tranga. Miakatra kaominina, raha ahitana fokontany roa na maromaro, ary miakatra any amin’ny distrika na faritra, rehefa mahakasika ireo voalaza ireo. Manao tatitra an-tsoratra any amin’ny fahefana isan’ambaratongany ny mpitantana ny Dinabe, sy ny fanapahan-kevitra raisiny. Tsy tanteraka na iray anefa izany, mikasika ity halatra sokatra tao amin’ny TSA Itampolo ity hatramin’izao. Vao mihevitra ny hanao azy eo anivon’ny distrika ny sefo distrika Ampa­nihy.
Amin’ny 6 jona 2023 izao ny fotoam-pitsarana mana­raka, ary tsy fantatra ny fotoana hanaovana ny kabary araka ny voasoritra ao anaty Dina­be. Satria manana ny fahaleovantenany hampiharana ny vonodina ity rafi-piaraha­monina nankatovin’ny fitsarana ity.

Njaka A.

Partager sur: