Tomponandraikitra… tompon’antoka voalohany

Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, fihanaky ny zava-mahadomelina, fanaovana kolikoly, ady tany, fisolokiana, fanambakana… Inona koa? Miseholany etsy sy eroa ny karazana fahalovana eny anivon’ny tokantrano, fiarahamonina, faritra… Tsia, tsy hoe ny lafiratsin-javatra ihany no ndeha hovisavisaina sy hotanisaisaina, hojerena sy hasongadina. Eo indrindra koa ny lafintsaran-javatra, be lavitra no ho izany. Saingy mby amin’ny hoe fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka?
Tsy vitan’izany, lanja miakatra ny fiainana? Tsy maintsy hatrehina sy hatao izay hanovana sy hanatsarana azy ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany: tsara lavitra no ho ny omaly ny anio, ary hanoatra no ho izany ny rahampitso. Ny ratsy sy tsy manjary ve, sanatria, no ndeha avela hisongadina sy hanjaka? Manahirana, manimba zavatra betsaka, mandreraka, mety mahaketraka… Mby amin’ny hoe mety ho potika sy levona ao anatin’ny indray mipi-maso monja izay naorina sy nisasarana an-taona maro.
Izay no itandremana, ifamarafarana, ifampitsinjovana… Nahoana? Misy antony ao matoa sahy maty hatrany ny mpanao ratsy. Na asan-jiolahy, ohatra, io, na kolikoly, na hosoka, na karazana fanararaotana… Saika mby ao an-tsaina ho azy amin’izany, ohatra, ny fahantrana no hoe antony, ny tsy fampiharan-dalàna manontolo sy hatramin’ny farany ary ho an’ny rehetra, ny fisian’ny tsimatimanota, ny tsikombakomba ratsy, ny fanamparana sy fanararaotana fahefana… Sanatria, ndeha hatao safobemantsina ve?
Miainga amin’ny tsirairay no hahazoana manarina sy manorina ny ankapoben-javatra ho an’ny rehetra? Mandini-tena aloha handinihana ny hafa, mitsara tena alohan’ny hitsarana ny hafa… Tsy nilaozan’izay tsy mahatsiaro tena amin’ny toerana misy azy? Na amin’ny andraikiny, na amin’izay itsarana azy… Na ahoana na ahoana, tompon’antoka voalohany izay nomena andraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga, ampitaovana ho amin’izany; eny, na eo aza ny fanampian’ny hafa na ny tsy fahampiana isan-karazany. Mby aiza?
Raha samy manadio ny tokontaniny sy izay tandrify azy ny tsirairay, madio ny tanàna? Saingy misy ny mpialokaloka fotsiny amin’ny hafa sy izay mety ho fahalemen’izay ialokalofany amin’ny fanaovan-dratsy… Izay no tena anisan’ny fositra eto amin’ny firenena? Tsy hita mivantana nefa mety ho fototry ny ratsy rehetra…

R. Nd.

Partager sur: