Volana jona, « Iray volan’ ny teny malagasy ». Hanatanteraka fifaninanana mamorona sorakanto (lahatsoratra tsotra na poezia) amin’ny teny malagasy ny Foibe momba ny teny an’ny Akademia Malagasy. Misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana ka hosokajiana roa ny mpandray anjara : latsaky ny 18 taona sy ny lehibe mihoatra ny 18 taona. « Teny velona sy manana ny hasiny ny teny malagasy » kosa ny lohahevitra ho an’ity fifaninanana ity. Lahatsoratra iray ihany no azon’ny mpifaninana alefa, ka tsy mihoatra ny 14 an-dalana ary tsy voatery hiady rima raha poezia. Azo hatao amin’ny andrika isehoany any amin’ny faritra tsirairay.
Aterina ao amin’ny Foibe momba ny teny, Tahala Rarihasina Analakely, alohan’ny 20 jona izao na alefa paositra ny sanganasa hifaninana. Ny folo voalohany isaky ny sokajin-taona no mahazo loka.
HaRy Razafindrakoto