Ady amin’ny lefakozatra : zaza 215 vita vaksiny tao Andodabe

Fokontany Ambalatenina avaratra, kaominina ambanivohitra Andodabe no nanatanterahan’ny governora, Rafi­dison Richard Theodore, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny faritra Atsi­nanana ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny lefakozatra ho an’ny ankizy latsaky ny 5 taona, ny herinandro teo. Nanamafy hatrany ity tomponandraikitra voalohany ny fampandrosoana ato anatin’ny faritra Atsinanana ity fa ilaina ny hitondran’ny ray aman-dreny ny zanany hatao vaksiny fa mampalahelo raha tsy vita vaksiny ka tratran’ny lefakozatra ary lasa malemy. Lasa vesatra ho an’ny fianakaviana ireo marary ka nanao antso izy hitondrana ny ankizy hatao vaksiny.
Amin’ny ankapobeny, na­zoto 100% ny renim-pianakaviana tao amin’ny kaominina Andodabe fa nahazo ny fatra vaksiny miaro amin’ny lefakozatra avokoa ny zaza rehetra latsaky ny 5 taona 215.

Sajo

Partager sur: