Ambohimalaza: telo mianadahy voasaringotra tamina vaky trano

Tra-tehaka tao amina tokantrano iray ny entana halatra, very efa ho efa-bolana lasa, tetsy Ambohimalaza, afakomaly. Renim-pianakaviana iray sy ny vadiny no voasambotry ny zandary. Nisy namaky ny tokantrano iray tao Ambalavato, fokontany Andranonomby Ambohima­laza, ny 13 janoary lasa teo. Tsy vitan’io, mbola nivere­nan’ireo olon-dratsy indray io tokantrano io, ny 13 marsa, ka naka entana hafa indray izy ireo. Nametraka fitarainana teny anivon’ny zandary ny tompon-trano. Nahazo alalana avy amin’ny fitsarana hisava ny trano voatondro ho misy ireto entana very ireto ny zandary ka niroso tamin’izany. Vokany, sarona tao ny ordinatera iray , miampy fitaovana fampiasa amin’ny zavamaneno sy vy. Notanana avy hatrany ireo mpivady tompon-trano.

Tsiferana R.

Partager sur: