Basikety 3X3 : hanao lalao fitsapana mialohan’ny Mondial ny Ankoay

Ho fiatrehana ny “Mon­dial Fiba, 3X3 2023”, taranja basikety, izay hatao any Autr­i­che, ny 30 mey hatramin’ny
4 jona ho avy izao, hanatanteraka lalao fitsapana telo ny Ankoay Madagasikara, amin’ ity faran’ny herinandro ity. Araka ny vaovao navoakan’ ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), roa herinandro ny ekipam-pirenena malagasy no manao fanazarantena ao amin’ny Serbian 3X3 Academy.
Ny herinandro voalohany, nanao fanomanan-tena isan’ andro ireo mpilalao, anisan’ izany ny fanamafisam-batana, fianarana teknika 3X3. An­koatra izay, misy teknisianina serba, Danilo Lukic, manofana ireo mpilalao amin’ny resaka “tirs” sy ny resaka fiarovana.

Tsiahivina fa ao amin’ny sokajy A no misy ny ekipa malagasy. I Frantsa, i Brezila sy i Alemaina ary i Serbia no hifandimby hihaona amin’i Madagasikara. Marihina fa ny 14 mey lasa teo ny Ankoay no nanainga teto an-tanindrazana hihazo an’i Serbia. Miisa 4 ireo mpilalao nentin-dRan­drianarivelo Jean de Dieu, mpanazatra Ankoay.
Tsara ny mampatsiahy fa i Livio, Elly, Arnol, Fiary no mpilalao efatra mirahalahy mandrafitra ny ekipan’ny Ankoay. Raha ny fikarohana natao, efa nandrombaka ny medaly volamena FIBA 3×3 nandritra ny lalao iraisan’i Afrika, natao tao Rabat MAROC, ny taona 2019 ry zalahy. Taorian’izany, voahosotra ho tompondakan’i Afrika nandritra ny fiadiana ny Am­boaran’i Afrika, natao tao Le Caire EGYPTA, ny taona 2022, izy ireo.

Fitia ( Mpianatra asa)

Partager sur: