Branchement mora : tokantrano 200.000 hisitraka ny tetikasa

Hatomboka amin’ity herinandro ity ny fametrahana ireo kaontera 5.000 isa avy amin’ny orinasa Jirama. An­dra­sana afaka herinandro vi­tsy kosa ireo 20.000 ambiny sy ny manaraka rehetra. Araka izany, ho tonga eny anivon’ny tokantrano tsirairay avy ireo teknisiana, ho an’ireo mpanjifa eto Antananarivo izay na­haloa ny “devis” 30.000Ar. Efa misy fahana 10kwh ity kaontera ity miaraka amin’ny taribian-jiro 30m. Eo ihany koa ireo takamoa sy ny prises  hahafahana mandefa fahitalavitra sy fitaovana hafa tsy mandany herinaratra. 9 500 Ar isam-bolana kosa ny vidin’ny fahana ho efain’ny mpanjifa mampiasa izany. Ankoatra izay, tokantrano 200.000 isa kosa no hokendrena hisitraka ny tetikasa. “Natao hitsinjovana ny sarambabem-bahoaka ity tetikasa ity”, hoy ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamana­mpi­soa Solo.
Afakomaly, tonga nijery ireo fitaovana ireo, teny amin’ ny Jirama Ankadiaivo Ala­sora, ny minisitra sy ny mpikambana eo amin’ny filankevi-pitantanana, Rasolofo­nante­naina José, ireo tale je­ne­raly mpisolo toerana eo an­ivon’ny orinasa ary ireo mpikamban’ny birao samihafa.

Henintsoa H.

Partager sur: