Nofaranana teny Ambatomaro, ny sabotsy teo, ny herinandro fankalazana ny faha-30 taonan’ny ivontoeram-pitsaboana (CSS) Avaradoha. Notolorana mari-pankasitrahana tamin’izany ireo mpiasa 24, naharitra sy nahatoky teo anivon’ny orinasa. Nahazo ny « Ordre national » ny efatra tamin’izy ireo, nahazo ny « Ordre de mérite » ny iray, nahazo ny « Médaille de travail » ny fito ary mbola nisitraka ny « Certificat de fidélité » avokoa ny 23. « Mba hisian’ny fifampitokisana sy fifamatorana eo amin’ny mpiasa ka hampandroso ny asa fitsaboana no antony », hoy ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny ivontoerana, Dr Randrianalison Andrianomentsoa.
Mbola olana goavana eto amintsika ny halafon’ny saram-pitsaboana eny amin’ny hopitaly sy ny dokotera satria tsy mahatakatra izany ny hoenti-manan’ny olona ankehitriny, raha ny zava-misy. 1320 ireo tonga nisitraka ny tolotra maimaimpoana, ny 15 sy16 ary 17 mey lasa teo, teny an-toerana, tao anatin’ny fankalazana. Nahafahan’ny olon-drehetra nizaha maso, tosidra, nitily ny diabeta amin’ny alalan’ny fitaovana (biotese)… Tanjona ny hanomezana fahafaham-po sy hanakaikezana ny olon-drehetra amin’ny alalan’ny fitsaboana. Nilaza izy fa ezahana ny hanakaiky vahoaka amin’ny saram-pitsaboana zakan’ny rehetra.
Mino (mpianatra asa)