CUA – Masoivohon’i Suisse : nitsidika ny mpamonjy voina teny Tsaralalana

Tonga nitsidika ny tobin’ny sampana mpamonjy voina, teny Tsaralalana, ny masoivohon’i Suisse miasa eto Ma­dagasikara, omaly. Nandray azy teny an-toerana tamin’izany ny ben’ny Tanànan’Anta­nanarivo Renivohitra, An­drian­tsitohaina Naina. Tafi­ditra ao anatin’ny herinandron’ny fandriampahalemana ny fitsidihana nataony. Mba ha­hafahana mamantatra ny fom­ba fiasan’ny mpamonjy voina eto Antananarivo, mikasika ny fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany ny tanjona, raha ny fanazavana. Ani­san’ny notsidihana ihany koa ny sampandraharaha mpan­dray ny antso vonjy ao an-toerana. Nisy ny fampisehoan’ireo mpamonjy voina teny an-toerana, ireo zava-bita sy ny asa atao mandritra ny tontolo andro ary ny mbola vinavina amin’ny ho avy, nandritra izany. Ankoatra izay, nanararaotra nijery ireo fitaovana hampiasaina entina manao ny asa vonjy aina ihany koa ny masoivohon’i Suisse tamin’izany. Hamantarana raha ampy sy mahasahana ny famonjena voina eto an-toerana ireo fitaovana ampiasaina amin’izany na tsia.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: