Fianarana mozika : hilaza ny heviny i Seta Ramaroson

Nisafidy lohahevitra iray lehibe i Seta Ramaroson, ma­noloana ny fianarana mozika : « Ampy ve ny fitendreko ire­ry ? Ilaiko ve ny fiarahana mitendry amin’ny hafa » ? Ny zoma 26 mey izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro, ao amin’ny Ivontoerana Mian­galy Tsimbazaza no hanatanterahiny ny famelabelaran-kevitra mifandraika amin’izany.
Seta Ramaroson, mpampianatra mozika anisan’ny manana traikefa matanjaka. Mpanakanto sy tarika maro no efa niara-niaka-tsehatra taminy. Ny fitsofana saksôfôna no tena nahafantarana ity andrarezin’ny mozika malagasy ity. Havanana amin’ny fitsofana sodina ihany koa izy. Mpiana­tra maro no nanovo fahalalana sy novolavolainy. Manome lanja lehibe ny fampiharana i Seta Ramaroson raha eo amin’ny tontolon’ny fampianarana mozika.
Marihina fa tsy misy vidim-pidirana ny fanatrehana ity velakevitra sy fifampizarana traikefa ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: